FANAKORONTANANA TAO ANATY HOTELY

Lehilahy roa indray voasambotra tany Diana


  • Talata 09 Janoary 2024

Lehilahy miisa roa 19 sy 20 taona no voasambotry ny polisy miasa any amin’ny

Faritr’i DIANA ny 08 Janoary lasa teo rehefa nanakorontana tao anaty hotely iray any an - toerana. Toy ny mahazatra, tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny Polisim-pirenena any an-toerana miandraikitra iny faritra iny amin’ny fanaraha - maso ny tanana. Anisan’ny mandray anjara mivantana amin’izany ireo Polisin’ny FIP. Nandritra ny fandalovana sy ny fanatanterahan’izy ireo ny asa fisafoana teo akaikin’ny trano fandraisam -bahiny iray tany an- toerana no nahatsikaritra fihetsik’olona roa hafahafa izay nitabataba tao anatiny izy ireo. Rehefa nozahana akaiky dia hita fa lehilahy roa mifampila vaniny sy nila ady no tao. Tsy nisalasala moa ireo mpitandro ny filaminana fa nandray andraikitra tamin’ny fisamborana azy roalahy ary nitondra ireto farany eny amin ‘ny biraon’ny Polisy. Nahitana antsy maranitra tany anaty paosin’ny iray tamin’izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanankorontana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT