FANAKORONTANANA FIARAHAMONINA

« Foroche » dimilahy nosamborina tany Antalaha


  • Talata 30 Aprily 2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisaria CSPD Antalaha tao Ankoalabe

ny jiolahy miisa 05 ny 24 Aprily lasa teo tokony ho tamin'ny 08 ora 47 minitra rehefa nanakorontana sy nampihorohoro fiaraha-monina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo fitarainana ny Polisim-pirenena mikasika ity tranga mampalahelo any an-toerana ity. Nidina teny amin’ilay tanana voalaza io ambony io ny mpitandro ny filaminana nijery ifotony ny zava-misy. Vao nahatazana ireo Polisy lavitra anefa ireo andian’olona ireo dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka lehilahy miisa roa no voasambotra , ny iray hafa kosa noraisim-potsiny rehefa nisitrika tao anaty trano iray teo amin’ny manodidina .Nitohy ny fisamborana ka izy ireo indray no nanoro ny namany roa hafa. Sarona tao amin'ny toerana antsoina hoe : Antsonasona ireto farany.Fantatra fa ao anatin'ny vondrona antsoina hoe : "Foroche" no misy azy 05 mirahalahy ireto, mpanakorontana fiaraha-monina no sady ao anatin'ny fikambanan- jiolahy any amin’iny faritra iny izy ireo. Efa nandray ny andraikiny mikasika azy 5 mirahalahy ireto moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ka efa nalefa nofaizina any amin’ny toerana sahaza azy izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy dimilahy mpanakorontana sy mpampihorohoro fiaraha-monina ao Antalaha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT