Fandriampahalemana

Fanakorontanana eny an-dalambe Tovolahy tsy ampy taona 11 isa no nosamborina tao Toamasina


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Ankoatra an’Antsiranana dia efa tongan’ireo andiana tovolahy kely mpanakorontana ihany koa na ny foroches

amin’izao fotoana ny ao Toamasina. Nanomboka ny sabotsy 18 martsa ka hatramin'ny talata 21 martsa lasa teo dia nahatratra 11 isa ireo voatery nosamborina tany an-toerana, indrindra fa ny tao Mangarivotra. Raha araka ny fantatra dia nanao herisetra an-dalambe izy ireo no sady mitabataba. Voatery nanao hetsika mihitsy ny Polisy ao Toamasina noho izany. Malaza mihitsy ireto tanora ireto manakorontana sy manao herisetra amin'ny olona mifanena aminy. Mitondra antsy lava ry zareo mandritra izany. Ny 10 tamin’izy ireo dia voasambotra nanomboka ny sabotsy 18 Martsa teo tao Mangarivotra Toamasina, ka notanana tao amin'ny kaomisarian’ny boriboritany faharoa tao Mangarano. Ny talata 21 martsa teo kosa no voasambotra ihany koa ny tovolahy iray izay tena mpitarika ireto andian-jatovo ireto. Voamarina izany tamin' ny alalan'ny kapa nanaovany izay adino niaraka tamin'ireo namany voasambotra. Tamin'ny fanadihadiana natao dia fantatra fa mbola mpianatra ao Mangarano II daholo ireto tovolahy voasambotra ireto ary mbola tsy ampy taona daholo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT