Mikasa ny hikomy ireo miaramila mpanao vy very ny ainy (commando) eo anivon’ny toby RFI etsy Ivato, raha ny loharanom-baovao azo. Andrasana anefa izay tena hiseho.
Tsy mahafa-po azy ireo mahakasika ny fanagadrana ireo namany miisa 25 isa any Tsiafahy, raha ny vaovao azo. Nisy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) Atoa Clément Jaona ny alatsinainy 17 jona teo nampahafantatra fa ampihorohoroana ny mpitsara mba hamoaka ireo miaramila 27 naiditra am-ponja noho ilay raharaha famonoana olona miisa 3 avy any Ambohimahasoa natsipy tao amin’ny reniranon’i Onive teny Ampitatafika distrikan’Antanifotsy hita ny 31 mey. Nivoaka hatramin’ny resaka fa misy andiana miaramila hikomy sy tsy handray anjara amin’ny fetim-pirenena, raha tsy havoaka ny namany, ary toa manamafy izany ilay vaovao re amin’izao. Nilaza ho tsy manaiky fampihorohoroana sy baiko hamoahana ireo miaramila ny mpitsara, izay nosoloin’io filohan’ny SMM io tena, izay nanamafy fa heloka sy henjehin’ny lalàna ny vono olona na meloka na tsia ireo telo novonoina izay voarohirohy ho nitazona basy tsy ara-dalàna. Re fa nisy ny baiko hoe: avotsory saingy tsy navotsotra. Ahiana ny ho fivoahana tsiambaratelo mombana aferana basy, ka izay no namonoana ireo telolahy, raha ny fahitan’ny filohan’ny SMM azy. Heverin’ny miaramila ho famakiana ady tamin’izy ireo izany ny fanambarana avy tamin’ny mpitsara nilaza fa nahazo fandrahonana ho faty manoloana io fanagadrana faobe io, raha dinihina. Tsy mbola nandrenesam-peo ny minisitera roa tonta hatreto. Mivadika ho ady mangatsiaka mety ho vaky tanteraka eo amin’ny mpitsara sy ny miaramila ny raharaha. Saropady anefa io, ary manohintohina ny fiandrianam-pirenena raha tsy voalamina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.