Fanafody tsy ara-dalàna sy fitaovana fifohana rongony

Vehivavy 2 nidoboka eny Antanimora


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina

teny Itaosy sy Ambohitrimanjaka ny vehivavy roa 27 taona sy 53 taona ny 29 janoary lasa teo rehefa tratra nivarotra rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina mahery vaika. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay vaovao avy amin'ny olona tsara sitra-po ny Polisy fa misy olona mivarotra sy manamboatra zava-mahadomelina mahery vaika eny Itaosy Atsimondrano eny. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo ka tratra tao an-tranony ny vehivavy iray 27 taona. Nandritra ny fisamborana azy dia tazana niparitaka eran’ny trano ny fitaovana toy ny seringue,briquet fandorana zava-mahadomelina, sotro misy dihana lelan 'afo fandorana izany, “bang “ sy “shisa” fihinanana zava-mahadomelina mahery vaika, fanafody codoliprane sy diazepan izay tsy azo hamidy raha tsy ahazoana alalana avy amin’ny mpitsabo. Efa nisazy 01 volana sy tapany teny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny resaka fifohana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “cristal “ na metamphétamine io vehivavy io . Nivoaka ny fonja tamin’ny voalohandohan’ny taona 2023 ny tenany. Natolotra ny fampanoavana omaly Alarobia 31 janoary 2024 ity vehivavy ity ary naiditra am-ponja vonjimaika indray. Vehivavy iray 54 taona ihany koa no tra-tehaka teny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka teny ny 29 janoary teo rehefa nivarotra rongony. Nahitana rongony 33 fonosana tao amin’ny trano fonenany nandritra ny fisavana .500 Ar no fantatra fa hamarotany ny iray fonosana ka mahalany 1sachet plastika ao anatin’ny herinandro ny tenany izay vidiana 20.000ar. Natolotra ny Fampanoavana ny 30 janoary teo koa ny anaovavy ary naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora.
Pati
Legende : Feno mpivaro-drongony Antanimora raha mitohy izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT