Fandriampahalemana

Fanafihana tsy tanteraka Telo lahy voasambotra teny amin’ny 67Ha


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Lehilahy telo no voasambotra nandritra ny famotorana mahakasika ilay raharaha fanafihana tsy tanteraka saika nataona jiolahy tetsy amin’ny 67ha.

 

 

 

Raha tsiahivina dia lehilahy roa no voasambotra teo am-panomanana fanafihana ka nahitana basy sy antsy lava ny alatsinainy 08 jona teo tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Nandritra ny fanadihadiana izay natao teo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faha-4 no nisy lehilahy 01 ihany koa nosamborina ary nanaovana fanadihadiana. Taorian’ny famotorana dia natolotra ny fitsarana izy telolahy ka fikambanan-jioalahy sy fikasana hanao halatra mitam-piadiana ary fitondràna fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna no vesatra niampangàna azy ireo. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy roa lahy voasambotra teo amin’ny 67ha, eo am-piandrasana ny fotoana hamindràna azy ireo eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay lehilahy voasambotra fahatelo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT