Fanafihana toeram-pivarotana

Lehilahy iray voatifitra teo amin’ny lohany teny Tsaramasay


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Tsy milamina ny tany na an-tsaha na an-tanàna. Manao ranolava ny asan-jiolahy,

ka toeram-pivarotana na "épicerie" iray indray no voatafika teny Tsaramasay, tokony ho tamin’ny 7ora hariva. Lehilahy 1 no voatifitra ary maratra be, ka ny faritry ny lohany no voa mafy, ka nifamponjena, raha ny vaovao vonjimaika omaly takariva. Lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny vola. Tena tsy mitsitsy fa tonga dia mamono ireo olon-dratsy, izay tena hary fitaovana. Raha ho an’ny teto Antananarivo, vao ny faran’ny herinandro lasa teo no nisy jiolahy 5 lavon’ny mpitandro ny filaminana, ka ny 4 tetsy Anosizato izay latsaka ny basy lehibe iray niaraka tamin’ny bala maro nokosehina. Tahaka izany ihany koa ny teny amin’iny faritra Ampasika iny izay nisy 2 lavo, saingy mbola manao ranolava io ny fanafihana. Ho an’ny mpitandro ny filaminana dia manodidina ny 1200 eo no voalaza fa nahetsika mba ahafahan’ny vahoaka mifety am-pilaminana. Na izany aza, tsy mahasakana ireo olon-dratsy hanao ny ataony. Mila mailo ny rehetra fa tena tsy milamina ny tany, mila politikam-panjakana mazava mikasika ny famoron’asa mba tsy hampirongatra ny olona handeha ho any amin’ny lalan-diso !
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT