Fandriampahalemana

Fanafihana tobin-dasantsy Polisy iray nidoboka eny Tsiafahy


  • Sabotsy 06 Janoary 2018

Namoaka fanambarana ny avy amin’ny polisim-pirenena omaly noho ny asa ratsy nahasaringotra olon’izy ireo ireo. Manoloana ny tranga fanafihana tobin-dasantsy iray, ny alakamisy 04 janoary 2018 tokony ho tamin’ny 08 ora alina, ka nahavoarohirohy mpitandro ny filaminana iray izay am-perin’asa ety anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka Anosy.

Maro ireo polisy tsy misorona manatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra izay napetraka taminy, nahitantsika taratra an’izany ny fepetra izay noraisina nandritra ny fetin’ny faran’ny taona, ka naharaisana fankasitrahana avy amitsika vahoaka, ary isaorana izy ireny, hoy ny polisim-pirenena. Misy kosa anefa ireo mbola minia mikipy ka mihoa-pefy, toy ny tranga izay niseho ity. Tiana anefa ny manambara fa ny polisim-pirenena dia tsy natao ho fialokalofan’ireo mpanao ratsy, ary tsy ekena sy tsy azo leferina ny fandikan-dalana ataon’ny mpitandro ny filaminana izay tokony ho andry iankinan’ny fandriam-pahalemana sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra manolona ny zava-niseho, tsy nandrasana ela fa natolotra avy hatrany ny fitsarana raha vantany vao vita omaly maraina ihany ny fanadihadiana teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava, ary notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Hisy ihany koa ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny maha mpiasam-panjakana azy. Anisan’ny tanjona napetraky ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka amin’ity taona vaovao ity ny fanohizana ny fanadiovana anatiny, ny fampanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny sata mifehy ny maha-polisy, katsy hilefitra velively amin’ireo izay minia mandika izany ny polisim-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT