Fanafihana tetsy Ambodivona

Matin'ny tifitra ny mpamily, karana iray voaroba


  • Zoma 17 Janoary 2025

Henjana ny tsy fandriam-pahalemana, hany ka atoandro be nanahary mihitsy no manao

ny asa ratsiny ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Omaly 16 janoary 2025 tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro, jiolahy nandeha moto no nanaraka ny fiara iray teny Ambodivona. Nandrahona tamin’ny basy PA ny olona tao anatin’ny fiara ( vehivavy karana) ireo jiolahy. Nasain’izy ireo nomena avokoa izay tao anatin’ny fiara toy ny vola sy ny savony. Rehefa azon’ireo jiolahy izay notadiaviny dia mbola notifiriny ilay mpamily, tifitra akaiky dia akaiky na "à bout portant" ka vita izay vao lasa nitsoaka izy ireo. Nisy nahazo sary avy taoriana moa ireo jiolahy, ka moto marika Cynus C2 no nampiasain'izy ireo, nanao aroloha manga ny iray izay nitifitra, ary mainty ny iray. Tsy fantatra kosa mazava ho azy ny endrikkizy ireo. Rehefa lasa ireo jiolahy dia nobataina tao amin’ny Espace Medical Ambodivona izy ary tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny Hjra noho ny ratra mafy. Teo amin’ny tratrany no voatifitra ity mpamily ity ary noheverina fa nahakasika mivantana tamin’ny taova tao anatiny izay tifitra izay ka nitarika ny fafahatesany, hoy ny fanazavana vonjimaika.Mety mahafantatra sy fantatr'ilay mpamily ve ireo olon-dratsy matoa nofofoin'izy ireo ny ain'ity farany ? Ankoatra io, nisy fanafihana quincaillerie andro atoandro ihany koa teny Iavoloha omaly. Tsy milamina ny tany, tsy mandry fahalemana ny Firenena,... Tsy arakaraka ny vono lolo ataon'ny mpanao politika milalao serasera mikasika ny tafika fa moa tena ampiasaina hiaro ny vahoaka sy ny fananany ve ny mpitandro filaminana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT