Fandriampahalemana

Fanafihana teny Tsiadana Olona teo an-tanàna ihany no nanampy ireo olon-dratsy


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Nisy fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Tsiadana Ankatso ny harivan’ny 06 aprily lasa teo.

 

 

Tranom-barotra iray mpivarotra PPN no voatafika tamin’izany ka nahafatesana lehilahy iray izay voatifitry ny basy ary nahaverezana vola mitentina 7 tapitrisa Ar. Tsena efa mihidy no notafihan’ireo jiolahy raha miisa 2 izy ireo no niditra tao an-trano izay nitondra basy PA ny anankiray raha nisy ihany koa ireo niandry teny ivelany. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy ireo niaram-boina taorian’izany. Nanao ny fanadihadiana ny polisy avy ao amin'ny sakelika fahaefatra ka lehilahy miisa 2 no voasambotra ny alahady teo tokony tamin’ny 6 ora hariva, teny Tsiadana ihany. Tamin’ny famotorana natao no nahafantarana fa ireto lehilahy ireto no niaraka tamin’ireo jiolahy nanafika ity tranom-barotra ity. Marihana fa talohan’ny nidiran’ireto olon-dratsy ireto tao amin’ilay tsena dia izy ireo no nanome vaovao ary nilaza tamin’ireo jiolahy fa azo tafihana ilay tranom-barotra. Izy ireo moa dia mipetraka teo amin’ny manodidina ilay tsena ihany. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny tompon’ny tsena ihany koa no nahafantarana fa tsy nisaron-tava ireo jiolahy nanafika tao amin’izy ireo. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana sy fikarohana ireo nitondra ilay basy ny mpitandro filaminana raha natolotra ny fampanoavana omaly kosa izy roalahy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT