Fandriampahalemana

Fanafihana teny Mahitsy 1 tratra tratra, 2 tafaporitsaka


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Avy any ivelany ny ankamaroan’ireo jiolahy tonga manafika ao Mahitsy. Torian’ilay fanafihana izay nahaverezana volabe 30 tapitrisa Ariary tamin’ny fiandohan’ity volana Aprily ity mantsy dia jiolahy iray vao 29 taona monja no tratra

tao ao Manjarano, fokontany sy kaominina Mahitsy distrikan’ Ambohidratrimo omaly talata 26 Aprily. Telolahy izy ireo no niaraka saingy tafaporitsaka ny roa. Rehefa nanontaniana ilay iray tratra dia fantatra fa monina ao Antamboho fokontany Vatobe kaominina Ambatomanga distrikan’Arivonimamo. Rehefa natao ny fisavana azy dia tratra tany aminy ny Basy poleta iray tsisy marika niampy "barre à mine" iray. Namboraka ny fikasan-dratsin'izy ireo ity voasambotra ka fantatra fa afak’omaly Alatsinainy 25 aprily tokony ho tamin'ny 05 ora hariva izy sy ireo namany roalahy no tonga tao Mahitsy mba hanao fanafihana ary Moto marika NEW MADA no noentin'izy ireo hanatanterahana ny fitsoahana rehefa vita ny fanafihana. Ireo tafatsoaka no voalaza fa mpitarika ka efa hatao hazalambo fatratra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy avy any Arivonimamo tonga nanafika tany Mahitsy !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT