Fandriampahalemana

Fanafihana teny Avaratr’Antanimora Nalefa eny Tsiafahy avokoa ireo jiolahy tratra


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Lehilahy miisa 02 no nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny BC4 Anosy . Ny iray tany Toamasina tamin’ny 08 oktobra teo raha teny Ankorondrano ny iray tamin’ny 10 oktobra.

 

 

 

Resaka fanafihana mitam-piadiana no nanenjehana azy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy tokantrano iray niharan’ny fanafihana teny Avaratr’Antanimora ny 07 oktobra teo. Olona mpanao volamena no voatafika tamin’izany ary nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireo mpanafika. Araka ny fantatra dia miisa sivy ireo mpanao fanafihana ka ny valo no niditra tao amin’ilay tokantrano raha nijanona teny ivelany kosa ny iray. Lasan’ireo mpanafika nandritra izany ny vola maromaro izay tsy fantatra ny teti-bidiny. Ny faraparan’ny volana aogositra teo dia efa-dahy no voasambotry ny Polisin’ny BC Anosy izay tena nandray anjara tamin’io fanafihana niseho ny 07 aogositra io .Taorian’ny fanadihadiana natao dia natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary naiditra am-ponja vonjy maika eny Tsiafahy. Nitohy hatrany ny fikarohana ka ny voalohandohan’ny volana septambra teo indray no voasambotry ny Polisin’ny BC4 ny roalahy hafa ka teny Ivato no nahasamborana ny iray raha tany Mahajanga kosa ny iray hafa. Taorian’ny fanadihadiana natao dia naiditra am-ponja vonjy maika eny Tsiafahy hatrany izy ireo. Ny 02 oktobra dia nampanantsoin’ ny mpitandro ny filaminana ny iray izay tena ati-doha nikotrika sy topo-kevitra mikasika ilay fanafihana. Ity farany moa no nijanona teny ivelany nandritra ny fanatanterahana ilay asa ratsy. Taorian’ny fanolorana ny fampanoavana azy dia naiditra am-ponja vonjy maika eny Tsiafahy ihany koa izy. Rehefa nahazo delegation judiciaire avy any amin’ny fitsarana ny polisin’ny BC4 dia nikaroka hatrany ireo mpanao ratsy ka roalahy indray no tratra ; ny iray voalohany voasambotra ny 08 oktobra tany Toamasina raha voasambotra tetsy Ankorondrano kosa ny iray hafa ny 10 oktobra teo. Izy roalahy ireto dia anisan’ny niditra tao an-trano ihany koa. 26 ka hatramin’ny 33 ny sala-taonan’izy ireo. Taorian’ny nanolorana azy roalahy fampanoavana ny 12 oktobra teo dia naiditra am-ponja vonjy maika eny Tsiafahy ihany koa izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT