Fandriampahalemana

Fanafihana teny Anosipatrana Vehivavy vao tera-bao no tompon’antoka


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Taorian'ilay fandrobàna ilay vola be, 36 tapitrisa Ar ana mpamatsy kisoa iray nitranga teny Anosipatrana, ny 05 aogositra teo dia olona telo no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niatrika ny fampanoavana .

 

 Vehivavy, 36 taona, vao tera-bao ny iray amin’izy ireo izay nalefa eny Antanimora. Polisy efa tsy am-perin’asa intsony sy ny namany ireo roa hafa izay samy notazonina eny Tsiafahy avokoa, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Iretsy roa farany moa raha tsiahivina dia voasambotra ny andron'ny fanafihana ihany, niaraka tamin'ny fiara Peugeot 309. Vola tamin'ny kitapo niampy basy poleta mifahana bala enina no niaraka taminy tamin’izany rehefa nosavaina. Nandrasan'ny polisy tao an-tranony, teny Itaosy kosa ilay renim-pianakaviana izay voalaza fa mpamatsy fitaovam-piadiana. Mbola tsy tao mantsy ity farany fa nitondra ny zanany vao teraka, natao vaksiny ka noraisim-potsiny tamin'ny fotoana niverenany tao an-tokantranony. Efa migadra noho ny famatsiana basy ireo jiolahy ihany koa moa ny vadin'ity vehivavy ity hoy hatrany ny vaovao.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT