Fandriampahalemana

Fanafihana teny Anosiavaratra Voasokatr’ireo jiolahy ny varavaram-by


  • Alarobia 24 Jona 2020

Jiolahy miisa folo no indray nandroba sy nanafika mpivady kely monina ao Isahafa Anosiavaratra afaka omaly alatsinainy alina, raha araka ny vaovao azo.

 

 

 

 

 Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny fianakavian’ny lasibatra dia na dia milamina aza ny tanana misy azy ireo dia vao mainka mirongatra kosa ny halatra sy ny herisetra eny amin’iny faritra iny ka mampitaintaina ny mponina isan’andro. Voakasik’izany ny eny Lazaina, Malaza ary ny manodidina. Miantso ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova sy ny ao Anosy Avaratra araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ny asan-dahalo mahery vaika eny amin’iny faritra iny. Lohalaharana amin’izany ireo dahalo manao andiany folo ireo izay efa tena malaza nefa tsy mety tratra. Marihina moa fa tsy nisy ny aina nafoy sangy naratra mafy kosa izy mivady kely. Hita ho simba sy pempo mihitsy ny varavaram-by miditra ao amin’ny efitrano izay nanaovan’ireo dahalo amboletra raha toraka izany koa ny varavarankely tao an-dakozia….

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT