Fandriampahalemana

Fanafihana teny Ankadindratombo Nidoboka eny Tsiafahy izy 3 lahy


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Nidoboka eny Tsiafahy nanomboka tamin’ny Sabotsy teo ireo jiolahy 3 mirahalahy niray tsikombakomba tamin’ny

fanafihana ny Shop Liantsoa Ankadindratombo izay nahafatesana mpamily fiara karetsaka iray. Polisy avy ao amin'ny CSP Alasora no nanatitra azy ireo tany amin’io fonjaben’I Tsiafahy ho famaizana ireo tena mpanao ratsy sy mpamono olona ireo. Randrianarison Tovoniaina Émile, 39 taona ny iray monina, ao Ambodivoanjo Alasora. Randrianarison Robson Nandrianina Tanteliniaina, monina ao Antohomadinika Atsimo kosa ny iray; ary raha Randrianandrasana Haja, 44 taona, monina ao Antohomadinika Atsimo ihany ny iray. Marihina moa fa hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny kaominina Alasora hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana saingy hetahetan’ireto farany kosa ny tokony hampitomboana isa sy hamatsiana fitaovana azy ireo. Na misy aza mantsy ny fiara indraindray dia mbola mitady solika indray izy ireo ho fanajany ny asany sy ho fiarovana ny aim-bahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telomirahalahy nanafika ny Shop Liantsoa Ankadimbahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT