FANAFIHANA TENY ANJOHY

Voasambotra niaraka tamin’ny basy sy antsy ireo tompon’antoka


  • Zoma 16 Febroary 2024

Mpanao ratsy miisa 4 ka vehivavy ny 01 no voasambotry ny sampan-draharaha

misahana ny ady heloka bevava BC4 rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana tao Anjohy. Nisy ny trangam-panafiana fiara nitondra volan'ny orinasa lehibe iray teny Anjohy ny Alatsinainy 29 janoary lasa teo raha tsiahivina . Nanao ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia ny Polisy ka ny 31 janoary dia olona roa no voasambotra niaraka tamin'ny basy telo. Ny 01 febroary teo kosa no saron'ny Polisy teo Antohomadinika ny lehilahy iray izay nandray anjara mivantana tamin'ilay fanafihana. Sabatra 01 sy ampaham-bola no tratra tao an-tranony. Voasambotra teny amin'ny RN7 ihany koa ilay lehilahy nitondra ny fiara nentina nanafika. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny Sabotsy 10 febroary rei ny raharaha ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny lehilahy miisa 03 raha nahazo fahafahana vonjy maika kosa ilay vehivavy 01.
Pati
Legende : Ireto izy telo tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT