Fanafihana teny Ambondrona

Ny basiny ihany no nitifiran'ny polisy ilay jiolahy


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Renim-pianankaviana avy naka vola tamin’ny "cash-point" nandeha moto no notafihin'ny jiolahy

roa nitondra basy andro mbola mazava be omaly alarobia 05 jona tokony ho tamin'ny 4ora sy 15minitra hariva, teny Ambondrona akaikin'ny IFT. Niantso vonjeo ny tenany, ka nisy polisy nanao fanamiana sivily sendra teny an-toerana niditra an-tsehatra, hoy ny fanazavana vonjimaika. Efa niomana hitifitra sy tsy hitsitsy ireo olon-dratsy, saingy sendra ny nahay azy. Basin'ireo jiolahy ihany no azon'ilay polisy raha iny mbola teo am-pamahanana basy iny ny jiolahy ka iny no nitifirany ny iray tamin'ireo olon-dratsy, ka voa teo amin'ny tongony sy tratrany ny iray, ny iray kosa tafatsoaka, hoy ny fanazavana. Mendri-piderana ary mendrika fankasitrahana satria nanao vy very ny ainy izany ilay mpitandro ny filaminana. Andrasana ny tohiny satria ity iray sarona ity izany no mety ho làlana makany amin'ny fahatrarana ny ekipany. Tena manjaka ny tsy fandriampahalemana na ambanivohitra na an-drenivohitra, ary miparitaka ihany koa fitaovam-piadiana mahery vaika.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT