Fandriampahalemana

Fanafihana teny Alakamisy Fenoarivo Jiolahy 3 azo sambo-belona


  • Talata 26 Mey 2020

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Mpivarotra mpambongady iray indray omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany teny Alakamisy Fenoarivo no nitafihina jiolahy miisa efatra nitondra moto.

 

 Ilay Raim-pianakaviana tompon’ity toeram-pivarotana ity nitondra vola niditra tao anaty kamiao no nokendrin’ireo tamin’izany izay notifiriny mihitsy kinanjo ilay kamiao no voa. Avotra soa aman-tsara ity farany noho izany raha lasan’ireo tsy mataho-tody kosa ilay volabe. Nihorohoro vao maraina ny mponina teny Alakamisy Fenoarivo noho izany. Fotoana vitsy monja dia nihatrana avokoa ny mpitandro ny filaminana ka tratra tany amin’ny kaominina Ampanefy ny telo tamin’ireo jiolahy izay fantatra fa nitifitifitr’olona teny am-pandehanana ka olon-tsotra iray no naratra. Navelany teo ny moto iray nentin’izy ka nirifatra sy niafina tany an-tranon’olona izy ireo. Mbola nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo nandritra izany saingy tratra ihany. Somary ratsiratsy rahateo ny lalana niazo ity kaominina ity ka mora foana ny nisambotra azy ireo. Tsy mbola hita ihany koa ny vola sy ny basy izay nampiasain’izy ireo. Tsiahivina moa fa tonga hatreny Ampanefy nanampy ny mpitandro ny filaminana ny Ben’ny tananan’Alakamisy Fenoarivo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT