Fandriampahalemana

Fanafihana Taxibe 110 Jiolahy 5 nanambana basy ireo mpandeha


  • Talata 07 Septambra 2021

Jiolahy miisa 5 no indray nanambana basy mpandeha tao anaty taxibe ao amin’ny zotra 110 mampitohy an’Anosizato Atsinanana sy Analakely omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora.

 Avy any Analakely hiazo an’Anosizato ity fiara ity no lasibatra. Raha araka ny fampitam-baovao azo dia niditra toy ny mpandeha rehetra ireto jiolahy ireto. Vehivavy iray no fantatra fa narahiny tamin’izany izay niditra tao anatin’ity taxibe iray ity ihany koa. Rehefa nisasaka ny lalana dia nanambana basy ireo mpandeha rehetra tao anatin’ity taxibe ity izy ireo ka lasany tamin’izany ny vola mitentina 160.000 Ar izay an’ilay vehivavy. Nivoaka izy ireo raha vantany vao vitany izay nataony, toy ny tsy nanao na inona na inona hoy ny vaovao. Raha araka ny fitantaran’ilay mpamily sy ny mpanampy azy moa dia tsy sahy nihetsika izy ireo nandritra izany noho ny tahony ny ho faty ihany koa. Miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra eny amin’iny faritra Anosizato sy ny manodidina iny araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ity tsy fandriampahalemana any anaty taxibe ity.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT