Fandriampahalemana

Fanafihana tao Tsarahonenana Sahanivotry Tratran’ny zandary sy fokonolona ireo jiolahy


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Raha tsiahivina ny raharaha dia naharay antso ny zandary mpanao fisafoana tarihin'ny Zandary kilasy voalohany Razafimahatratra Tojoniaina,

 

 

 

 hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny zandarimaria ao Vakinankaratra. Ireto zandary ireto dia miasa ao amin'ny Zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe. Nilaza ny antso fa misy andian-jiolahy mikasa hanafika ao antranon'Atoa Razafimahatratra Jean Emile ao amin'io tanàna io. Tsy niandry ela ny zandary sy ny fokonolona fa lasa io alina io hamonjy ity tanàna ity. Vao nahita ireto farany ireo jiolahy dia vaky nandositra nefa nifanenjehana ka tratra ny iray. Niaraka tamin'ny basy vita malagasy sy bala miisa roa ity jiolahy tratra ity. Rehefa nanaovana fanadihadiana izy dia noraisim-potsiny koa ireo roa hafa namany. Tsy nisy ny entana very ary tsy nisy ny aina nafoy fa naratra kosa ny zafikelin'ny voatafika. Fanindroany izao tao anatin'ny iray volana no nandamóka ny asan-jiolahy tao amin'iny faritra iny noho ny fiantsoan'ny fokonolona ara-potoana sy noho ny fahaiza-manaon'ireo zandary miasa ao amin'ny “Poste avancé » Tsarahonenana Sahanivotry, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT