Fandriampahalemana

Fanafihana tao Sarobaratra Ifanja Dahalo 5 lahy maty voatifitra, azo ny vola 15 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Dahalo miisa 5 ny faran’ny herinandro teo no indray maty rotidrotiky ny blan’ny zandary sy ny polisy tao Sarobaratra Ifanja.

Raha araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny zandary vaovao izy ireo fa nitondra basim-borona 4 nanafika ny tsenan'Antsapantelo, ka niisa 7 izy ireo tamin’izany. Vokany, mpanangom-bokatra avy any Anosibe Ifanja no very 18 tapitrisa Ar. Voalaza fa nizotra nihazo an'Andolofotsy ireo malaso. Nihetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana nandritra izany. Raha araka ny fantatra dia niafina tao anaty lava-bato ireo mpanao ratsy saingy voahodidina. Tsy nanaiky mora izy ireo fa nifampitifitra tamin'ny mpitandro filaminana nandritra ny adin’ny telo. Tsy nilavo lefona anefa ireo mpitandro ny filaminana hatramin’ny 03 ora hariva. Dahalo 5 no lavo vokatr’izany. Azo ihany koa ireo basim-borona 4 niampy 15 330 000 Ar. Dahalo avy any amin’ny faritra hafa avokoa moa izy ireo.
Pati
(Sary nindramina)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT