FANAFIHANA TAO RAMAINANDRO

Tovolahy iray mpanafika matin’ny fokonolona


  • Zoma 29 Novambra 2024

Tena tsy mena-mivadika ny olona. Tovolahy namany ihany no nanafika ilay Ramatoa monina ao Ramainandro,

distrikan’i Faratsiho ny alin’ny 26 Novambra teo tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nidiran'ny jiolahy miisa 5 misaron-tava ny tranon'io Ramatoa io tamin’io alina io. Nokapain'izy ireo ny antsy ny omby roa mifatotra tao am-bala. Nopotehiny ny kodiaran-tsarety. Nosimbaina ny varavaran'ny trano fonenan’ilay Ramatoa. Nikasa hiditra an-keriny hitady ilay renim-pianakaviana tompontrano izy ireo taorian’izany saingy efa tafavoaka ny trano haingana ity farany no sady niantso vonjy.Vetivety dia vory ny fokonolona vokatr’izany ka raikitra ny fifanjevoana. Voasambotra nandritra io tranga io ny iray tamin’ireo jiolahy nisaron-tava ka maty daroky ny fokonolona. Raha ny fantatra moa dia efa nanana olana tamin'ity renim-pianakaviana ity io tovolahy namoy ny ainy io. Nisy fananan’io Ramatoa io nopotehiny mantsy ka rehefa tsy nisy fifandaminana dia voatery nitory tany amin'ny zandary ilay Ramatoa simba fananana. Tokony hiatrika fitsarana amin’ny volana Desambra ho avy izao araka izany io tovolahy namoy ny ainy io.
Pati
Legende : Ity ilay dahalo namoy ny ainy sy ireo fananana nopotehiny sy ny namany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT