Fandriampahalemana

Fanafihana tao Mangabe Toliara Jiolahy 2 namoy ny ainy, iray azo sambo-belona


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Lehilahy roa no namoy ny ainy ary lehilahy iray no voasambotra nandritra ny fisamborana olon-dratsy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny Fokontany Mangabe, distrikan’i Toliara I ny 29 septambra lasa teo.

 

 

 Jiolahy miisa telo ireo nikasa ny hanao ny fanafihana izay nitifitra tsy niato ireo polisin’ny FIP taorian’ny vaovao azon’ireto farany. Nisy arak’izany ny fifampitifirana ka lavon’ny al any jiolahy iray, 38 taona. Lehilahy iray hafa kosa no voasambotra. Nandritra ny fanadihadiana ilay voasambotra no nanondrony ny namany iray hafa. Ity farany izay efa fanta-daza amina fanafihana mitam-piadiana ary nandositra ny tobin’ny FIP Toliara ny 03 aprily teo nandritra ny fanadihadiana natao azy. Nisy ny velam-pandrika natao hisamborana azy tao Antaravay Salimo. Nisy ihany koa ny fifampitifirana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy teny an-toerana. Vokany, tsy tana noho ny ratra mafy nahazo azy ny ain’ilay jiolahy. Nogiazana avokoa noho izany ny basy nampiasain’ireo jiolahy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT