FANAFIHANA TAO MAHABO MENABE

Dahalo iray no lavon’ny balan’ny polisy


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Lavon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Menabe

ny daholo iray omaly 21 Novambra rehefa nanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra. Tamin’io marainan’ny omaly io tokony ho tamin’ny 00 ora sy 15mn dia naharay antso ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahabo izay nilaza fa misy dahalo am-polony manafika sy mikasa hangalatra omby, miaraka amin’ny fitaovam-pidiana mahery vaika toy ny basim-borina ao amin’ny tanana iray Antananarivokely Fokontany Mahabokely ,kaominina ambonivohitra sy Distrikan’i Mahabo. Tsy niandry ela fa namonjy ilay tanana voalaza ny mpitandro ny filaminama niaraka tamin‘ireo fokonolona .Nitifitra avy hatrany ireo mpanani-bohitra raha vantany vao nahatazana azy ireo.Nisy ny fifandonana ka nandritra izany no nahalavo ny dahalo iray. Nandositra nihazo ny Fokontany Soamahavelo ireo namany raha vao nahatsikaritra ny fahavoazan’ity farany. Lehilahy iray 35 taona tao anatin’ireo fokonolona no naratra.
Pati
Legende : Lavo ilay dahalo iray !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT