FANAFIHANA TAO ANKILIVALO MAHABO

Vehivavy iray voatifitra teo amin’ny


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

kibony, miaramila iray teo amin’ny feny

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Mahabo. Dahalo maromaro no indray niditra an-keriny tao amin’ny Fokontany Batiment, kaominina ambanivohitra Ankilivalo, distrikan’i Mahabo ny ny Sabotsy 02 Desambra alina nifoha omaly Alahady 03 Desambra. Tokantrano iray sendra azy ireo no lasibatra voalohany tamin’izany ka Renim-pianakaviana iray no voatifitra teo amin’ny kibony sy ny tanany rehefa tsy nety nanome ny vola tao an-tokantranony hoy ny vaovao. Niditra nanampy ity Ramatoa ity sy ny ankohonany ny mpitandro ny filaminana nandritra izany saingy miaramila iray ihany koa no fantatra fa voatifitra teo amin’ny feny. Vao tamin’ny 08 ora alina monja no nitrangan’io fanafihan-dahalo io. Tsy afaka avy hatrany dia nanara-dia ireo mpanao ratsy ny fokonolona nandritra izany fa nitondra ilay Ramatoa tany amin’ny hopitaly Betela ao Morondava. Ilay miaramila kosa noentina any amin’ny toeram-pitsaboana hafa saingy mbola miady mafy ao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Mikasika ity tsyh fandriampahalemana ao Mahabo ity moa dia dahalo iray no voatifitry ny Polisin'ny FIP tany an-toerana ny zoma 01 desambra lasa teo tao Anjatelo, Kaominina ambanivohitra Ampanihy.Teo am-panatanterahana ny "opération lopingo" izy ireo no nifanehatra tamin'ny lehilahy iray milanja basy sy miambozona moara . Vao nahita ny Polisy ity farany dia nitifitra avy hatrany ka voatery nampiasa basy ny mpitandro filaminana ary namoy ny ainy tamin'izany ity olon-dratsy ity.
Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ny tanan’ilay Ramatoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT