FANAFIHANA TAO

ANDRANOMANELATRA Maty an-karanany, dahalo iray namoy ny ainy


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Dahalo iray no namoy ny ainy. Rava ihany koa ilay asan-dahalo saika niseho tao Andranomanelatra Antsirabe.

Afak’omaly Talata 26 Novambra tokony ho tamin’ny 06 ora hariva no nahazo antso ny zandary nilaza fa misy dahalo mikononkonona fanafihana any an-toerana. Vokatry ny ezaky ny fokonolona sy ny kartie mobila tao an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izany. Avy hatrany dia zandary miisa 4 no nidina an-kianja namelatra ny fandrika sy ny paikady.Vao nahita ireto farany ireo jiolahy dia nitifitra ka mba namaly koa ireo zandary. Lavo tamin’izany ny jiolahy iray raha nirifatra nitsoaka ny namany. Nahitana basy poleta mifahana sy bala efatra moa tany amin’io jiolahy namoy ny ainy io. Toraka izany koa ny sakaosy iray nisy lela-vola 100.000 Ar, ary kara-panondro miisa roa. Nahitana antontan-taratasina moto ihany koa tany aminy, aro orana, torche miisa 2, finday miisa 3 mbola voky herinaratra tsara. Nalevin’ny fokonolona teo amin’ny toerana nahavoatifitra azy moa ity jiolahy ity noho ny tsy fahafantarana izay tena mombamomba azy marina.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy maty voatifitra sy ireo kojakoja niaraka taminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT