Fandriampahalemana

Fanafihana tany Maroantsetra Voatifitra teo amin’ny feny ny jiolahy iray


  • Zoma 05 Martsa 2021

Nisy fanafihana niseho tany Maroantsetra ny 03 martsa lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara

 

 

 dia nisy olona tonga tao amin'ny paositry ny Polisy ao Maroantsetra ary nilaza fa misy andian'olona mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ao amin'ny fokontanin’Androkaroka , izay nanafika tokantrano iray. Tsy tratra tao intsony ireo andian-jiolahy fa lasa nandositra. Rehefa natao anefa ny fanarahan-dia dia tratra ny jiolahy iray izay namoaka basy vita gasy mandritra ny fanenjehana ka saika hitifitra polisy. Ny an’ireto farany anefa no nataony tonga aloha ka voa teo amin’ny feny ilay jiolahy. Tany Antanambao moa ity jiolahy iray ity no voasambotra. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon'ny Polisy nandritra izany tra-tehaka ny jiolahy faharoa izay niafina tao Lapointe tany anatin'ny fiaran'olona .Mbola nahatratrana basy vita gasy iray hafa miaraka amin'ny bala calibre 12 ihany koa teny aminy izay nampiasainy nandritra ilay fanafihana. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa jiolahy miisa efatra izy ireo no nanao ity fanafihana tamin’ny 03 martsa ity. Mbola karohina ny 2 ambiny.

Pati  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT