Fandriampahalemana

Fanafihana tany Anivorano avaratra Naharatrarana basy mahery vaika ireo jiolahy


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Jiolahy telo voarohirohy tamin'ny resaka vaky trano tao amin'ny kaominina ambanivohitra Anivorano Avaratra distrikan’Antsiranana II no tra-tehaka ny zandary taorian'ny fahazoana ny loharanom-baovao avy tamin'ny olona tsara sitrapo.

 

 

 

Mbola tratra tany amin’izy ireo ihany koa ireo fitaovana maro izay entina manao izany asa ratsy izany miaraka amin'ny basy mahery vaika na arme de guerre type HCN N° 1972 PE 4606 sy bala 29 isa.Ankoatra ireo dia mbola hita tany amin’izy ireo ihany koa basy FC simplex cal 16 N°437403 izay an’ny jeneraly nisotro ronono ary lasa ben'ny tanàna any an-toerana amin'izao fotoana. Fitaovana anisan’ny lasan'ireo jiolahy nandritra ny fahavakisan’ny tranony tany an-toerana ireto tratra farany ireto, raha araka ny fantatra. Mbola karohina kosa ny tompon’ilay basy mahery vaika izay voalaza etsy ambony sy ny mpiray tsikombakomba amin'izao raharaha izao hoy hatrany Kapiteny Damy Mandevereka Alphonse izay kaomanda eo anivon’ny kaompania ao Antsiranana. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana hataon’ny zandary any an-toerana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT