Fanafihana sy vono olona nahatsiravina

Ramatoa varira notaperina ny ainy, nentina ny lohany


  • Alatsinainy 02 Jona 2025

Nitranga fanafihana mahery vaika narahina vono olona tao amin’ny Fokontany Vohikely,

Kaominina ambanivohitra Sohandrariny, Distrikan’Antsirabe II ny faran’ny herinandro teo. Fanafihana andro alina, tokony ho tamin’ny 11ora, nahafatesana vehivavy iray 70 taona, manana toe-tena manokana (varira). Araka ny fampitam-baovao, jiolahy miisa 15, samy mirongo fitaovam-piadiana, no nanafika ity ramatoa ity tao an-tranony. Lasan’izy ireo ilay niharam-boina, ary novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana, ka nokapainy ny tendany. Ny vatana mangatsiakany, izay tsy nisy loha intsony, dia hita teny Ambohidranandriana, Kaominina Ambohimandroso, tokony ho 10 km miala ny tanànan’i Vohikely. Efa nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona. Araka ny tatitra azo, dia ity tranga ity no faha-7 amin’ny tranga famonoana olona mitovy endrika tamin’ity nandritra ity taona ity. Manamafy izany fa mbola miaina ao anaty tahotra sy horohoro ireo fianakaviana sy olom-pirenena, indrindra fa ireo manana toe-tena manokana (varira). Miantso sy manentana antsika rehetra ny manampahefana sy ny tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka mba hifampizara vaovao sy angon-baovao mikasika ity raharaha ity, hahafahana manao fanadihadiana lalina sy manenjika ireo nahavanon-doza, hoy ny antso avo. Maneho sy manamafy ny zava-misy, fa tsy milamina ny tany, misy sokajin’olona tandindonin-doza, tsy mandry fahalemana ny tany, mandry an-driran’antsy ny vahoaka,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT