Fanafihana sy “kidnapping

tao Ampafaravola Hita ny fatin’ilay Ramatoa, 21 any am-ponja, 9 maty…


  • Talata 29 Aogositra 2023

Na teo aza ny fisamborana sy fahafatesan’ireo ambara fa olon-dratsy sasany tany Morarano Chrome ny volana

martsa, ary nisy ny hetsika manokana nataon’ny mpitandro ny filaminana, dia nitohy ny fanafihana mahery vaika narahina fakana takalon’aina tahaka ilay niseho tany Sahamamy ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola hatrany ny volana jona. Dimy andro lasa izay, ny 23 aogositra teo, votsotra teo am-pelantanan’ireo jiolahy mpaka an-keriny Rtoa Olivia, raha toa ka novoina kosa Rtoa Béatrice, isan’ireo nalaina an-keriny ny 23 jona 2023. Jiolahy 3 no lavon’ny bala, ary nisy ny azo sambo-belona, ka rehefa noporetin’ny mpitandro filaminana, dia vaky vava fa izy no nitifitra an-dRtoa Béatrice, ka nanoro ny toerana nasiany ny nofo mangatsiakan'io ramatoa novonoiny io. Efa hita ary naterina any Sahamamy Amparafaravola fiaviany ratompokovavy, hoy ny fanapariaham-baovao omaly. Raha fintinina, ny 23 jona izy sy Olivia no nalaina an-keriny rehefa samy maty notifirin'ireo tsivalahara ny vadin'izy ireo. Tany am-pandehanana no notaperin'ny iray tamin'ireo tsy mataho-tody ny ain'i Béatrice. Raha ny tatitry ny mpitandro filaminana, olona 23 no voarohirohy natolotra ny fitsaràna tamin’ny raharaha “kidnapping”, 21 tafiditra am-ponja, 02 nahazo fahafahana vonjimaika. Dahalo miisa 9 lavo nandritry ny fifampitifirana, tratra ny basy sy ny finday fampiasan'ireo jiolahy. Isan’ny tena anjakan’ny tsy fandriampahalamena ao Alaotra. Misy ireo sarona sy lavo niainga tany amin’ny volana martsa efa am-polony, nitohy volana jona ary izao efa ho amp-polony izao indray ihany koa no lavo, fa mbola baraingo kosa ny amin’ireo olona sasany ahiana ho tena atidohan’ny kidnapping izay efa namoahan’ny mpitandro filaminana didy fampisamborana, saingy tsy re intsony ny tohiny. Ny ahiahian’ny olona dia ny hoe: sao misy olona ambony na mpitondra ambony na manam-pahefana manafina sy miaro fatratra? Mby aiza izao ny fisamborana an’I Fano na Mahaleo Jaona Fanomezantsoa izay malaza fa tena atidohan’ny mpanao fakana an-keriny? Anarana nandehandeha ihany koa ny an’ny iray antsoina hoe: Elie ka efa nilamina sy madio ve ny momba an’ireny? Tena sarotra tadiavina sa nampanginina noho izy mpikatroka ao anatin’ny Antokon’ny Fitondrana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT