Fanafihana sy fitifirana ny vadin’i Benjakely

Olona miisa 3 no efa voasambotry ny polisy


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Olona miisa telo nandray anjara sy mpiray tsikombakomba tamin'ny fanafihana cash point teny Manjaka Ilafy

ny 30 aogositra 2024 izay nahavoatifitra ny vadin'i Benja kely mpilalao sarimihetsika malagasy no voasambotry ny Polisin'ny SUT ny 31 oktobra 2024 teo, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Raha hiverenana fohy ny tranga, dia notafihin’ireo jiolahy io renim-pianankaviana mpanao cash point teny Manjaka Ilafy io ka voa nanakaiky ny fony, lasa ny vola 22 millions Ar niampy finday miisa 4. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisin'ny SUT dia hita ilay ramatoa nampiasa ilay finday very tamin'io fanafihana io. Ity farany izay vadin'ny mpanao fanafihana izay vao nivoaka ny fonjan'Antanimora, raha ny fanazavana hatrany. Nosamborina io vehivavy io sy ny sakaizany. Nosamborina ihany koa i ny lehilahy iray antsoina hoe Degany izay nandray anjara feno tamin'ity fanafihana ity. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo iray, izay voalaza fa isan’ny nandray anjara mivantana ihany koa tamin’io fanafihana niseho ny 30 aogositra io. Natolotra ny Fampanoavana ny 02 novambra 2024 teo ny raharaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT