Vola 79.000.000Ariary harotsaka any amin'ny banky, an'ny toerana fivarotana iray ao Ambohimangakely
no notafihin'ny jiolahy mitondra scooter raha hihazo an'Ankorondrano ny talata 20 desambra, raha ny tatitry ny mpitandro filaminana omaly. Nifarimbona ny zandary sy ny polisy, ka fantatra fa mpiasa taloha ihany ny iray tamin'ireo roalahy nanao fanafihana ka tsy ela dia voasambotra niaraka tamin'ny vola rehetra. Ny iray namany izay tompon'ny basy fitondra manafika sy ny scooter sisa no andeha ho karohina izay jiolahy efa karohin'ny Zandarimaria noho ny asa ratsy ka i Avotra no mahita ny trano fonenany, hoy ny fanazavana. Teny an-dàlana anefa dia ireo zandary teo akaikiny no notoheriny sy saika alainy an-keriny ny basy ka niaro tena ireo zandary ary nitifitra azy, ka voa mafy, be loatra ny ra very ka tapitra ny ain’ity antsoina hoe : Avotra. Nomarihin’ny zandary fa efa mpanao fanafihana toeram-pivarotana maromaro izy io. Isan'izany ny tamin'ny 25 novambra 2023 ka nahazoany 67.000.000 ariary. Nitsoaka moa izy ary mbola nahitana 20.343.000 ar tao an-tranony. Talohan'io (jona 23), toeram-pivarotana iray ihany dia efa nandroba 10.000.000 ar ny tovolahy, hoy hatrany ny tatitra. Narahina zandary maromaro izy tamin'ny fotoana nitondran'ireo zandary kanefa dia fetsy sy maranitra ary mody be resaka be ary tetika efa voaomana ny fotoana sy ny toerana hanaovany tari-dositra. Karohina fatratra ankehitriny ny namany iray ary ataon'ny Brigade Ambohimangakely vaindohan-draharaha ny fanaovana azy «Wanted » ka ho an'izay rehetra manam-baovao dia antsoy ny 034.05.700.71 hoy ny Borigady Ambohimangakely namoaka ny laharana ahazoana azy ireo.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.