Fanafihana sy fandorana trano

Renim-pianakaviana iray maty vokatry ny fahatairana


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Nitrangana fanafihan-jiolahy nahatsiravina tao Andriakely, Andranofotsy, kaominina ambanivohitra Fihaonana,

distrikan'Ankazobe afak’omaly tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina. Trano fivarotana iray no norarafan'ireo dahalo lasantsy ka may tsy nisy noraisina avokoa ny entana rehetra tao anatiny izay mitentim-bidy an-tapitrisany maro. Namoy ny ainy vokatr’iany ny renim-pianakaviana iray tokony ho 50 taona, tompon’ilay tranom-barotra voatafika. Taitra tampoka noho ireo fananany lasa lavenona mantsy ity farany ka tsy tana ny ainy hoy ny vaovao. Toraka izy ary nentina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ain-dRatompokovavy taorian’izany. Raha araka ny vaovao azo dia may tao amin’ity tranom-barotra voatafika ity ihany koa ireo moto sy bisikileta an’ny tompon-trano, fananana marobe nohariana an-taonany maro. Mbola nitohy moa ny fanarahan-dia ireo dahalo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Sorena mafy ny amin’izao fanjakana mijoro izao araka izany ireo mponina ao Ankazobe. Lazan’izy ireo fa milamina hatrany mantsy ny tany nefa tena miaina anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ny mponina.
Pati
Legende : May kila hotohoton’ny afo tahaka izao ilay tranom-barotra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT