FANAFIHANA SY FAMONOANA KARANA

Dimy lahy no voasambotra tao Mahajanga


  • Talata 09 Septambra 2025

Dimy lahy no voasambotra nandritra ilay fanafihana sy famonoana

tera-tany karana tompona tranom-barotra mpambongady iray tao Manga Mahajanga, ny 22 Aogositra lasa teo. Ny roalahy mpitarika posy, mpitatitra entam-barotra mivezivezy isan'andro ao amin'io tranom-barotra io izay sady mpamoha ilay tranom-barotra no nahavita nandatsaka ny ain'ilay teratany karana tompon'ny tranom-barotra..Niampy fandrobana vola mitentina 2 400 000 ariary sy entam-barotra vitsivitsy izany. Tsy azon'izy ireo niodivirana anefa ny horonan-tsary avy amin'ny caméra de surveillance teo amin'ny tranom-barotra teo am-pita nirakitra ny antsipirihan'ny fivezivezen' izy ireo sy ny asa ratsy nataony. Ireo olona 3 hafa kosa tsikombakomba tamin'ireo roalahy nanao ny fanafihana ka ny iray mpiasa ao amin'ilay karana, ny iray mpivarotra ivelan' ilay tranom-barotra ary ny iray olona nosokajian' ilay raim-pianakaviana ho zanaka an-trano efa mpivezivezy ao aminy. Tsiahivina fa vao 67 taona ity tera-tany karana nisy namono ity. Andro atoandro be nanahary, teo anelanelan'ny tamin'ny 12 ora sy sasany ka hatramin'ny 2 ora sy sasany no namonoana azy. Tsindrona sy fira zava-maranitra teo amin'ny tendany no namonoana ity tera-tany karana ity. Niombonan'ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena tao Mahajanga ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha nahazoam-bokatra ity. Mbola misy olona hafa karohina, hoy ny vaovao.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto izy dimy lahy tompon'antoka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT