FANAFIHANA NY COSMOS ANDRANOMENA

Jiolahy iray no lavon’ny mpitandro nyfilaminana


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Jiolahy iray volaza ho nanafika ny tranom-barotra Cosmos Andranomena

no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny 07 Martsa lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina nandritra ny hetsika bemidina nataon’ireto farany teny Antohomadinika. Ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI) sy ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) teny Antohomadinika no nifanehitra tamin’ity jiolahy efa tena raindahiny ity. Nampiasa basy poleta efa fitondrany manao fanafihana mitam-piadiana izy itsy voalohany nandritra ny fifanenjehana. Tafaporitsaka kosa ny vehivavy iray izay niaraka taminy sady mpiray tsikombakomba aminy ka karohina fatratra. Efa nigadra tao Tsiafahy sy Antanimora moa io jiolahy io ary efa nosamborina noho ny resaka fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika.
Pati
Legende : Nahazo sarandalana ho any amin’ny vary tsy mifody ity jiolahy ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT