Tovolahy iray 25 taona saika hanao fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaky ny polisy miasa ao Ambovombe ny 02
martsa teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina tao amin'ny fokontanin’i Berary kaominina ambonivohitr’Ambovombe. Teo am-panomanana ny asa ratsiny ity tovolahy ity no nandalo ireo polisy manao fisafoana amin'ny alina ka nahita ny fihetsik’ilay ranamana hafahafa. Natao avy hatrany ny fisavana ka nahitana basy vita gasy sy bala roa ary famaky iray lehibe tany aminy. Tsy niandry ela fa nentina nihazo ny birao avy hatrany ity farany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nikasa hanao fanafihana teo amin'ny manodidina ilay faritra nahatrarana azy ity lehilahy ity. Efa zatra manao izany izy hoy ny vaovao no sady mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika mba hampitahorana sy hamonoana ireo olona ao amin’ilay trano hotafihiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.