FANAFIHANA NITSEFOTRA

Jiolahy 4 lavon'ny polisy tao Toamasina


  • Talata 12 Aogositra 2025

Jiolahy miisa 4 no indray lavon'ny balan'ny Polisim-pirenena tao Mangarano Toamasina II

ny faran'ny herinandro teo.Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny Polisin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) no nahitana azy efa-dahy ireo. Rehefa niroso tamin'ny fampijanonana mba ho fisavàna azy ireo ny UIR dia namaly sy nampiasa ireo fitaovana teny an-tanany ireo olon-dratsy mba hamelezana ny Polisy. Niaro tena noho izany ireto farany ka voatery nitifitra koa. Vokany jiolahy miisa 04 no maty teo noho eo. Fantatra fa jiolahy efa mpampihorohoro ny fokontany Mangarano II sy ny manodidina izy ireo ary efa nokarohina hatramin'ny ela.
Pati
Légende : Izy 4 mirahalahy efa maty voatifitry !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT