FANAFIHANA NAHAFATESANA INSPEKTERA

Jiolahy 3 tompon’antoka no indray lavon’ny bala


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Jiolahy mpanao fanafihana miisa telo no indray lavon'ny balan'ny Polisy

tao Manandriana omaly Alahady 19 novambra maraina tao amin'ny Fokontanin’i Bemanta , kaominina ambanivohitr’ Ambanivohitr’ Ambovombe Centre , Distrikan'i Manandriana.Loharanom-baovao mari-pototra no voarain'ny iretsy voalohany fa miafina ao amin'ny kaominina Ambovombe Centre ireo jiolahy tompon'antoka tamin'ny fanafihana tranom-barotra iray tany an-toerana ny Sabotsy 11 novambra lasa teo ka nahafatesan'ny inspektera Rakotomanga Andrinirina Fenohasina. Nidina nanao ny fanarahan-dia hatrany ny Polisy nanoloana izany ka raikitra ny fifandonana. Vokany, jiolahy miisa 03 no indray voatifitra ka namoy ny ainy raha roa hafa azo sambo- belona. Mbola nahitana basy vita gasy sy bala maromaro teny amin’ireto farany.
Pati
Legende : Nanaraka an’i inspektera any amin’ny varo tsy mifody koa izy telolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT