Jiolahy miisa efatra no vaoasambotry ny polisy miasa ao amin'ny UIR Tolagnaro ao Besonjo 30 septambra 2020 lasa.
Voaroiroy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana tao an-tsenan’i Tolagnaro izy ireo ny 07 Septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora hariva. Avy hatrany dia natao fanadihadiana izy efa-dahy ireo. Narahina ny fikarohana ny tranony izany ka fahana 1000 Paques Telma izay mitovy amin'ny numero de serie an'ilay mpivarotra izay norobain'izy ireo no hita tao an-tranony. Naiditra am-ponja vonjimaika izy efa-dahy ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.