Fandriampahalemana

Fanafihana mpivady tao mahajanga Olona 5 no tratra, tsy ampy taona ny 2


  • Zoma 03 Jolay 2020

Jiolahy miisa dimy ary tsy ampy taona ny roa no voasambotry ny polisy miasa ao Mahajanga ny 02 Jolay lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny marainan’ny 27 jona lasa teo tamin’ny 1ora no nisy mpivady nirava avy niasa tao Tsararano ambany.

 

 

 

 

Norobain’ny andian-jatovo miisa dimy mirongo fitaovam-piadiana toy ny antsy sy vato izy ireo. Lasan’ireto olon-dratsy ireto ny firavaka volafotsy maromaro toy ny gourmette, finday, vola 150.000Ar ary ny kojakoja momba azy mivady. Saika niharan’ny fanolanana ilay renim-pianakaviana. Tadidin’ireo niaram-boina anefa ny sasany tamin’ireo olon-dratsy ka tonga nametraka fitoriana teny amin’ny polisy izy ireo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo ka voasambotra ireo olon-dratsy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niaky ny heloka vitany izy ireo, marihana fa ny iray amin’izy ireo dia efa mpamerin-keloka. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT