Fandriampahalemana

Fanafihana mpiasan’ny banky Jiolahy 2 matin’ny UIR teny Ankorahotra


  • Zoma 27 Aprily 2018

Lehilahy roa no voatifitry ny polisy tetsy Ankorahotra –Ambanidina manakaiky ny Foibe Taon-tsaritany Malagasy (FTM) omaly vao maraim-be.

Maty tsy tsa-drano ny iray rehefa voa teo amin’ny masony , nodimandry tany amin’ny hopitaly kosa noho ny ratra nahazo azy ny faharoa avy eo. Ny polisy avy eo amin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide)  no nisy niantso ary tonga ara-potoana teny an-toerana ka nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Saika hanafika tokantrano iray teo an-toerana ireo jiolahy izay manana basy poleta roa niaraka tamina bala maromaro.Ary ny fantatra dia tranona mpiasana banky lehibe iray eto Antananarivo no saika notafihan’ireto jilahy ireto. Tsy fantatra aloha ny tena antony mazava saingy siosion-dresaka no nandrenesana fa nanantena handroba vola be tao amin’io trano io ireo jiolahy.Miasa 24 ora amin’ny 24 ora izahay, hoy ny ny avy ao amin’ny UIR, fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Saka mainty” ary vonona amin’ny famongorana ny asan-jolahy mahery vaika eto amin’ny renivohitra.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT