Fandriampahalemana

Fanafihana mpanao MVola Ravan’ny zandary ny tambazotra iray


  • Talata 01 Septambra 2020

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Idiana Ambositra ny 02 aogositra 2020. Lasibatra tamin’izany ny mpanao MVola iray, izay nahaverezana vola 13 tapitrisa Ariary, solosaina, finday, ary fahana maromaro.

 

 

 

Roa mianadahy no voasambotra taorian’io ary notanana am-ponja vonjimaika. Nitohy ny fanadihadiana nataon’ny Zandary avy amin’ny Brigady Ambositra, niandraikitra ny famotorana. Nahazoam-bokatra izay ka nisy fito lahy indray voasambotra. Mbola tratra tany amin'izy ireto moa ny finday roa sy ireo fahana halatra. Miisa sivy mianadahy ny fitambaran'ireo olona voasambotra voarohirohy tamin'ity fanafihana mpanao Mvola ity. Hatolotra ny fampanoavana avy hatrany izy fito mirahalahy ireto aorian'ny famotorana.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT