FANAFIHANA MPAMBONGADY AKOHO

20 tapitrisa Ar nanjavona, 4.500.000 Ar isaky ny jiolahy


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Efa nampidirina am-ponja vonjimaika ao Toamasina raha araka ny vaovao azo ilay jiolahy iray tamin’ny

5 nanafika mpambongady akoho fakana nofony tao Tanambao 5 Toamasina tamin'ny Alahady 15 Desambra taona 2024. Izy irery hatreto no efa voasambotra vokatry ny fifanomezan-tanana mahomby teo amin’ny fokonolona sy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena nasionaly ao Toamasina. Very tamin’izany moa ny volabe mitentina 20 000 000 Ar raha tsiahivina. Niaiky ny heloka vitany ilay voasambotra no sady nilaza fa lela-vola 4 500 000 Ar no anjara vola azony taorian’ny fahavitan’ilay asa fanafihana. Marihina fa nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Tsarakofafa tamin’ny datin’ny 29 Janoary lasa teo ihany koa ity jiolahy tratra ity.
Pati
Legende : Ilay jiolahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT