Fandriampahalemana

Fanafihana mpambongady 7 lahy matin’ny polisin’ny SAG teny Anosibe


  • Zoma 25 Novambra 2022

Nirefodrefotra tsy nifankahitana ny feom-basy teny Anosibe akaikin’ny Pharmacie Volahanta omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva teo.

Nanenjika jiolahy avy nanafika mpivarotra mpambongady lamba ny mpitandro filaminan’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Service Anti Gang (SAG). Efa azo ny vaovao ary niditra antsehatra avy hatrany ny SAG nanenjika ireo jiolahy ireto. 7 lahy be izao no lavon’ny bala io omaly hariva io, fantatra araka ny vaovao voaray fa nisy amin’ireto jiolahy ireto no efa nigadra teny Tsiafahy, izany hoe voasokajy ho jiolahy raindahiny sy efa tena mpanao azy. Efa nokarohina hatry ny ela ireo 7 lahy nanafika teny Anosibe ireto raha araka ny angom-baovao natao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Faritra mena ary tena andrenesana halatra, fanendahana, fanafihana isan’andro ny eny Anosibe, sy Namontana iny na dia efa misy mpitandro filaminana mivezivezy foana aza ; mihtsy mihitsy ireo jiolahy efa manakan-dalana amin’ny alina raha ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana sy ireo izay tratra alina mody.Manampy ireo dia mbola zavadoza ihany koa ny haropasoy anaty taxibe amin’iny lalan’Anosizato Anosibe iny.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT