Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Tratra ihany Rabetsy ny farany


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Jiolahy iray antsoina hoe : « Rabetsy » no voasambotra tany Antsirabe tamin’ny 05 Oktobra lasa teo.

 

Raha araka ny fantatra dia nanao fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny faritr’Ambatolampy sy ny manodidina iny ny lehilahy ary efa nokarohina fatratra. Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo sy vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy ao amin’ny BC4 sy ny polisy ao Antsirabe no nahafahana nisambotra azy. Rehefa natao ny fidinana ifotony dia nahatrarana basy poleta niaraka tamin’ny bala miisa efatra tao an-tokotaniny izay fampiasany amin’ny asa ratsy fanaony. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT