Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Naratra mafy ny lehiben’ny arofenitry ny Faritra Atsinanana


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Mirongatra ny asan-jiolahy any Toamasina, indrindra ny fanendahana an-dalambe sy ny vaky trano ary ny fanafihana mitam-piadiana. Ny alin’ny talata nifoha ny omaly alarobia, tao Morarano Toamasina dia notafihin’ny jiolahy ny tranon’ny lehiben’ny arofenitry ny Faritra Atsinanana sady anisan’ny oloben’ny HVM ao Toamasina.

 Voan’ny famaky ny handriny nandritra ity vaky trano ity, feno ratra koa ny vatany. Lasa avokoa ny vola sy ireo entana zakan’ireto andian-jiolahy tao aminy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy. Nanome baiko ny lehiben’ny Faritra sy ny Tonia mpampanoa lalàna ary ny Prefen’i Toamasina. Nametraka fitoriana ihany koa ny fianakaviany. Izy moa tsaboina ao amin’ny hopitaly be. Talohan’io dia lasibatra tao Tanamakoa ihany koa ny mpanangom-bokatra jirofo iray ka very vola 180 tapitrisa Ariary saika hividianana entana hamidy any Soanierana Ivongo. Renim-pianakaviana iray nitondra moto hanatitra ny zanany hianatra ihany koa no voadaroka, mbola tao Tanamakoa ihany, ka lasan’ny jiolahy mora foana ilay moto nentiny.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT