Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Jiolahy roa lavon’ny bala tao Mahitsy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana ao Mahitsy. Jiolahy miisa roa no lavon'ny zandary avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Mahitsy, nandritry ny fanafihana mitam-piadiana niseho tany an-toerana.

Hita sy tratra tany amin’izy ireo ny basy vita gasy iray sy antsy ary baramina roa avy nampiasainy. Mbola niampy miisa finday telo izany izay norobain'izy ireo tao amina tranona Renim-pianakaviana iray tao Manjarano Mahitsy. Ny 15 mey lasa teo tokony ho tamin'ny 02 ora 30 maraina raha tsiahivina dia nahazo antso avy tamin'olona tsara sitra-po ny kaomandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Mahitsy fa misy fanafihana mitam-piadiana ao Manjarano fokontany sy kaominina Mahitsy distrikan’ Ambohidratrimo.Tokan-tranona Renim-pianakaviana iray ao Manjarano voalaza no notafihan'ireo jiolahy miisa roa (02) mirongo fitaovam-piadiana ireo. Niditra an-terisetra tao antrano izy ireo ka nanambana basy an'ity renim-pianakaviana ity. Nisava ny entana rehetra tao an-trano ihany koa izy ireo saingy tsy nahita izay notadiaviny. Niantso vonjeo ilay Renim-pianakaviana nandritra izany. Vao avy nahalafo akoho maromaro tamin’ny faran’ny herinandro teo ity Renim-pianakaviana ity. Nikasa ny hitifitra ireo zandary moa izy roalahy ireto rehefa nampitandremana ka tsy maintsy niaro tena iretsy voalohany. Naterina etsy amin’ny hopitaly HJRA ny vatana mangatsiakan’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo mpitandro ny filaminana
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT