FANAFIHANA MITAM-PIADIANA

2 lahy lavon’ny polisy tao Mahavatse Toliara


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Jiolahy roa no lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny

Filaminam-bahoaka Atsimo Andrefana tao Mahavatse ny 05 may teo tokony tamin’ ny 1ora sy 45mn rehefa nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana. Nandritra ny fidinana nataon’ ny Polisin’ny UIR, miasa ao amin’ny kaomisaria Foibe Toliara no nahazoan’izy ireo loharanom-baovao fa misy andian’olona mikononkonona fanafihana mitam -piadiana eny amin’ny faritra Mahavatsy Toliara.Natao ny fanaraha - maso, niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana ka nandritra izany no namaly tifitra tamin’ny basy vita gasy ireo jiolahy. Lavo vokatry ny fifanjevoana ny roa tamin’ireto farany raha nitsoaka kosa ireo namany hafa. Fantatra fa tompon’antoka amin’ireo fanafihana nitranga tany an-toerana hatramin’izay izy ireo. Mbola karohina ireo namany hafa.
Pati
Legende : Ireo jiolahy lavo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT