Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-basy Miaramila taloha ireo lasa jiolahy


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Saron'ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy nanafika tao Ambano-Antsirabe II ny faran'ny herinadro lasa teo. Mpanangom-bokatra sy mpitondra izany aty Antananarivo no nisy nanafika ka vola 1.000.000 Ariary no voaroba.

 

 

 Nisy tovolahy iray notifirin'ireo jiolahy teo amin'ny tongony mba hanerena ny tompon-trano hamoaka vola. Nandeha ny feo fa nisy mpitandro ny filaminana tafiditra tamin'io fanafihana io ka nanaitra ny hambom-pon'ny namany izany ka niteraka izao vokatra izao. Olona niisa 11 ka vehivavy ny iray tamin'ireo niampy fitaovam-piadiana sy ody gasy maro no tra-tehaka vokatry ny fiaraha-miasan'ny zandary sy ny polisim-pirenena. Nambaran’ireo nisahana ny fanadihadiana fa mbola misy naman'ireo jiolahy ireo karohina ary efa tsy am-perinasa intsony ireo miaramila tratra ireo saingy mbola nampiasa fanamiana sy karatra sandoka maha miaramila. Hatolotra ny fampanoavana ao Antsirabe anio alakamisy ireto jiolahy ireto.

Caius R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT