Fandriampahalemana

Fanafihana magazay tao Tanambe Lehilahy miisa 06 no efa tratra


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Lehilahy miisa 06 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Amboasary ny 17 janoary teo tao Beyala Amboasary Atsimo rehefa nanafika tanana.

Ny alin’ny 17 janoary teo tokony ho tamin’ny 00 ora sy 05 minitra raha tsiahivina dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambe kaominina ambanivohitra Amboasary Atsimo. Magazay iray mivarotra kojakoja momba ny bisikleta no notafihan’ireto olon-dratsy ireto ka basy vita gasy no nampiasain’izy ireo tamin’izany. Kojakoja mahakasika ny bisikileta maro no voaroba tamin’izany. Vaky nandositra ireto olon-dratsy ary olona tsy lavitra teo nampandre ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana. Tany amin’ny Fokontany Bevala Galois no voasambotra ny lehilahy miisa 05 raha tafatsoaka kosa ny lehilahy iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny Birao ireto farany nanaovana fanadihadiana ka nanonona ny toerana mety ahitana ilay naman’izy ary dia voasambotra tany amin’ny fokontany Ankamena ny naman’izy ireo iray. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.
Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy tratra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT